Nosy tanindrazako,
’Zay navelan’ ny razako,
Nafoiko ho anao ny rako, ry Madagasikarako.
Ranomasina no valam-parihy,
Mamefy ny foko rehetra hifankatia,
Tsy hampisaraka ny Malagasy miaraka.
Andriamanitra ô! Mitahia ity taninay ity,
Tany soa nomenao anay
Lovan’ny taranakay,
Madagasikara ho an’ ny Malagasy,
Malagasy kosa ho an ’i Madagasikara.